1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah , ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!

2 Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao. 

3 Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.

4 Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.

5 Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.

6 Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.

7 Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.

8 Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;

9 Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.

10 Ny zanany* haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]

11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.

12 Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipkanao no ikendrenao ny tavany.

13 Misandrata amin'ny herinao, Jehovah , hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
